Mbot - Fanamboarana ny fihetsehany

Fitaovana

mBot iray

solosaina fisaka misy ny rindra-kajy mBlock iray.

Dingana  1 : Hampifandraiso ny mBot sy ny solosaina fisaka ary sokafo ny rindra-kajy fandrindrana azy

(Ilay zoro eny ambony havanana no bokotra natokana amin'izany)

Dingana  2 : Andramo hampihetsehana

Manandrama karazana fihetsehana maro amin'ny mBot:

  • Ovay ny hafainganam-pandehany
  • Ovay ny faharetany

Mariho ny fiovan'ny halavan'ny zotra vitany isaky ny manova ny hafainganam-pandehany sy ny faharetany ianao.

Dingana  3 : Fanazarana

Avelao ny mBot handehandeha ao anaty efitra iray.