Covid-19: Arovy ny tenanao sy ny manodidina anao

Dingana  1 : Sasao matetika ny tanana.

Mampiasa savony ary sasao tsara manontolo ny tananao rehetra.  Azo atao tsara ihany koa ny mampiasa "gel hydroalcoolique".

Dingana  2 : Tapeno amin'ny lanton-tsandry ny vava sy ny orona raha mikohoka na mievina na mampiasa mosoara.

Ny antony dia mety hisy ny otrikaretina ireny piti-drora ireny.

Dingana  3 : Mampiasa mosoara fanary ary ario avy hatrany raha vao nampiasaina indray mandeha.

Raha mitondra otrikaretina ny olona iray dia voatazona ao anatin'ireny lelo ireny ny virus.

Dingana  4 : Aza mifampikasoka rehefa mifampiarahaba.

Tsy mandray tanana na mifanoroka amin'ny namana.