Fitadiavana takelam-pifandraisana sy fakàna sary

Fitaovana

solosaina iray misy internet

Dingana  1 : Fanomanana

Velomy ny solosaina ary sokafo ny fitaovana fikarohana (moteur de recherche).

Dingana  2 : Safidio ny foto-kevitrao

Misafidiana foto-kevitra iray izay mahaliana anao.

Dingana  3 : Fikarohana amin'ny "internet"

Mitadiava tranokalam-pifandraisana roa (2) miresaka sy mifanentana amin'ny foto-kevitra  izay nahaliana anao amin'ny alalan'ny fitaovana fikarohana (moteur de recherche).

Dingana  4 : Adikao ny rohy URL

Adikao ny rohy "URL" isaky ny pejy tsidihana ho ao anatin'ny taratasy izay noforonina tamin'ny rindra-kajy Word.

Dingana  5 : Makà sary roa

Alaivo amin'ny alalan'ireo takelam-pifandraisana notsidihanao ireo hatrany, ireo sary roa (2) mifanaraka tamin'ny foto-kevitra notadiavinao. Adikao ao amin'ilay taratasy Word nampiasaina tetsy ambony ihany izany.