Mbot - Fihetsehana - Manoritra telo-zoro

Fitaovana

penina iray

Fitaovana ahafahana mametraka penina amin'ny mBot

Zavatra ilaina

mBot iray

solosaina fisaka iray misy ny rindra-kajy mblock

Dingana  1 : Hampifandraiso ny mBot sy ny solosaina fisaka ary sokafo ny rindra-kajy fandrindrana azy

(Ilay zoro eny ambony havanana no bokotra natokana amin'izany)

Dingana  2 : Ampiasao ny peninao

Mitadiava hevitra hametrahana ny penina eo amin'ny mBot.

Dingana  3 : Mitadiava hevitra hanoritana ny telo zoro

Ampiasao ny "répéter / faire" sy ny "vers l'avant".

Ovay ny lanjan'izy ireo.

Manaova fampitahana.