mBot - Fitaovana fitsapana halavirana na "capteur à distance"

Dingana  1 : Hampifandraiso ny mBot sy ny solosaina fisaka ary sokafo ny rindra-kajy fandrindrana azy

(Ilay zoro eny ambony havanana no bokotra natokana amin'izany)

Dingana  2 : Fampahafantrana ny "capteur de distance" (ultra sons)

Ampiasao ny "attendre jusqu'à" sy ny "obstacle devant", izay hitanao ao amin'ny sokajy Sens, mba ahafahan'ny mBot mahafantatra rehefa misy sakana eo anoloany.

na

Ampiasao ny "répéter jusqu'à" izay ao amin'ny sokajy Contrôle sy ny "distance de _ pour le capteur à ultrasons" miaraka amin'ny "__<__<__" (sokajy Maths). Ho voafaritry ny mBot avy lavitra izay sakana eo anoloany ary hanatanteraka izay baiko napetraka ao anatin'ny boucle izy.

Dingana  3 : Fampiharana

Hampandrosoy hatrany ny mBot. Rehefa misy sakana hitany eo anoloany dia mivily havia izy.

Hampandrosoy hatrany ny mBot; rehefa misy sakana hitany eo anoloany dia mijanona izy sady mandrehitra ny jirony ho mena.