Scratch - Ping pong

Mety efa nahare matetika izany hoe "ping pong" izany ianao raha tia milalao baolina. Baolina kely iray no ifandimbiasan'ny mpifanandrina roa (2) hifanipazana, ka izay iray tsy mahatanty izany no resy. Ity famoronana ity dia natao tamin'ny mblock mety ihany koa raha scratch 2.0 ary lalaovin'ny olona roa samihafa. Raha mahaliana anao izany dia manasa anao hamaky hatramin'ny farany ireo torolalana.

Fitaovana

Solosaina misy scratch2.0 na mblock.

Zavatra ilaina

Fitsipi-dalao ping pong.

Files

Dingana  1 : Mampiditra "décors"

  • Sokafo amin'ny alalan'ny double-clique ny scratch na mblock.
  • Rehefa tafasokatra izany, dia fafao ny lutin (saka na panda) miseho eo: clique droite dia supprimer.
  • Ovay avy amin'ny torolalana hita eto amin'ny sary ambany ny arrière-plan.

sary_mampiditra_decors

Dingana  2 : Mamorona "lutin" hazo mahitsy roa sy baolina iray

Hazo mahitsy voalohany:

  • Rehefa hamorona lutin ianao dia miditra ao amin'ny fitaovana famoronana izay asehon'ny sary fanehoana, "Dessiner un nouvel objet" (faha -1).
  • Sorito ny efa-joro lavalava amin'ny alalan'ny fitaovana fanoritana (faha -2).
  • Misafidiana loko izay tianao eo amin'ny palette (faha -4)
  • Lokoy amin'ny fandokoana ny efa-joro mahitsy (faha -3).
  • Batao amin'ny fitaovana fibatana ho eo ampovoany tsara ny efa-joro mahitsy rehefa vita ny sary
  • Omeo anarana ny costume-nao mba hanamora ny fandrindrana azy (faha -5).

Hazo mahitsy faharoa:

  • Tsy mila mamorona vaovao intsony rehefa hanao ny hazo mahitsy faharoa.
  • Manao clique-droite eo amin'ilay voalohany dia manindry ny dupliquer (faha -6).
  • Misafidiana loko vaovao tsy mitovy amin'ilay hazo mahitsy voalohany (faha -8).
  • Rehefa vita izany dia avereno lokoina ny hazo mahitsy (faha -7).
  • Omeo anarana ny costume-nao mba hanamora ny fandrindrana azy (faha -9)

Baolina:

  • Miverena ao amin'ny  "Dessiner un nouvel objet" (faha -10).
  • Manorita boribory amin'ny alalan'ny fitaovana fanoritana (faha -11)
  • Misafidiana loko izay tianao ho an'ny baolina eo amin'ny palette (faha -13)
  • Lokoy amin'ny fandokoana ny boribory (faha -12)
  • Omeo anarana ny costume-nao mba hanamora ny fandrindrana azy (faha -14)

Dingana  3 : Fandrindrana ny fihetsiky ny mpilalao voalohany

  • Activer-o ny hazo mahitsy (mavomavo eto) ho an'ny mpilalao voalohany.
  • Atomboy amin’ny fampidirana ny «  quand le drapeau vert est cliqué »
  • Fantaro ary hampidiro amin’ny alalan’ity bloc ity ny toerana tokony hisy azy amin’ny voalohany : « aller à x :  y :   » izay hita ao amin’ny mouvement
  • Ampiasao ny condition « si… alors » rehefa hamaritra ny fepetra tokony hampihetsika ny hazo mahitsy (miisa roa izy eto satria mamaritra ny miakatra any ambony sy midina any ambany).
  • Farito amin’ny alalan’ny hoe « touche .. pressé ? » izay hita any amin'ny capteur indray ny bokotra ho potserina (eto dia a mampiakatra azy ambony ary w mampidina azy ambany) hampihetsika ny hazo mahitsy.
  • Farito amin’ny alalan’ny hoe  « ajouter … y» indray ny fihetsehan'ny hazo mahitsy rehefa voapotsika ny bokotra (5 raha miakatra ambony izy ary -5 raha midina any ambany izy) na ambony na ambany.
  • Aza adino ny mametraka ny "repeter ... indéfiniment" mba hitohizan'ny fihetsehany.

Dingana  4 : Fandrindrana ny fihetsiky ny mpilalao faharoa

Mitovy tsy misy mahasamihafa azy amin'ny mpilalao voalohany

  • Activer-o ny hazo mahitsy (menamena eto) ho an'ny mpilalao faharoa.
  • Atomboy amin’ny fampidirana ny «  quand le drapeau vert est cliqué »
  • Fantaro ary hampidiro amin’ny alalan’ity bloc ity ny toerana tokony hisy azy amin’ny voalohany : « aller à x :  y :   » izay hita ao amin’ny mouvement
  • Ampiasao ny condition « si… alors » rehefa hamaritra ny fepetra tokony hampihetsika ny hazo mahitsy (miisa roa izy eto satria mamaritra ny miakatra any ambony sy midina any ambany).
  • Farito amin’ny alalan’ny hoe « touche .. pressé ? » izay hita any amin'ny capteur indray ny bokotra ho potserina (eto dia flèche haut mampiakatra azy ambony ary flèche bas mampidina azy ambany) hampihetsika ny hazo mahitsy.
  • Farito amin’ny alalan’ny hoe  « ajouter … y» indray ny fihetsehan'ny hazo mahitsy rehefa voapotsika ny bokotra (5 raha miakatra ambony izy ary -5 raha midina any ambany izy) na ambony na ambany.
  • Aza adino ny mametraka ny "repeter ... indéfiniment" mba hitohizan'ny fihetsehany.

Dingana  5 : Arindrao ny fihetsiky ny baolina

  • Activer-o na cliquer-o ny baolina
  • Atomboy amin’ny fampidirana ny «  quand le drapeau vert est cliqué »
  • Fantaro ary hampidiro amin’ny alalan’ity bloc ity ny toerana hametrahana azy voalohany: « aller à x :  y :   » izay hita ao amin’ny mouvement
  • Ampiasao ny « s’orienter à… degres » mba hamaritana ny fitodian'ny baolina voalohany izay hita ao amin'ny mouvement
  • Ny solosaina no asaina misafidy ny zoro fitodihan’ny baolina (1 - 360 °) isaky ny manomboka ny kilalao, izay no antony hampiasaina ny « nombre aléatoire entre … et …. degrés », izay alaina any amin'ny sokajy opérateurs.

Dingana  6 : Mihetsika mandeha ho azy ny baolina

Raha nanaraka ianao dia nandrindra ny fitodikin'ny baolina isika teny amin'ny fiandohan'ny fandrindrana ny fihetsiny. Eto indray isika hamaritra ny hafainganam-pandehany sy ny fivezivezehany ao anatin'ny scène.

Tohizana manaraka ny rafitra efa natomboka tetsy ambony ireto bloc manaraka ireto:

  • Averimbereno tsy akiato ny fandrosoan’ny baolina amin’ny alalan’ny «  avancer de … » (eto dia 5 ny hafainganam-pandehany) sy ny “répéter indéfiniment”
  • Asaina miverina miakatra na midina ihany koa izy raha vao midona amin’ny sisiny scène amin’ny alalan’ny «rebondir si le bord est atteint»

Dingana  7 : Rehefa midona amin'ny hazo mahitsy ny baolina

Mifanaraka sy mitohy amin'ny rafitra etsy ambony ihany, ilaina ny mamaritra ny fitodihan'ny baolina isaky ny midona amin'ny hazo mahitsy izy (eto dia baton_1 sy baton_2 ny anarany ao anaty sary fanehoana).

  • Asio fepetra (si... alors)  milaza fa rehefa mahakasika ny hazo mahitsy voalohany sy faharoa ny baolina dia miverina sy mitodika 360°  hanesorana ny direction-ny.
  • Ny 360° -... dia hita ao amin'ny opérateur, ny direction kosa dia ao amin'ny mouvement.
  • Any amin'ny capteur kosa no ahitana ny baton_1/baton_2 touché?
  • Dia miverina ao amin'ny mouvement no hangalana ny s'orienter à ... degres.
  • Mazava ho azy fa hampidirana ao amin'ny répeter indéfiniment efa nipetraka tetsy ambony ireo bloc ireo mba ahafany mitohy hatrany mandrapahatapitry ny kilalao.

Dingana  8 : Hamboary ny arrière plans

Ho fanatsarana ny fandrindrana izay ataotsika dia ovaitsika aloha ny arrière-plans. Ho asiantsika tsipika roa samy hafa loko ny sisiny havia sy havanan'ny arrière-plans toy ny hita eo amin'ny sary fanehoana. Izany dia atao mba hanamora ny famaritana ny mpandresy sy ny resy izay ho jerena miaraka eto ambany. Izany hoe, izay voalohany mahatafiditra baolina ka mikasika ny tsipika any aorian'ny hazo mahitsin'ny mpifanandrina aminy no mandresy.

Toy izao ary ny fanaovana izany.

  • Potsero aloha ny eo amin’ny scène akaikin’ireo fitoeran’ny lutins (faha -1).
  • Hidiro indray ny « arrière-plans » eny akaikin’ny onglets instructions eny ambony (faha -2)
  • Manorita tsipika mitsagana roa tsy mitovy loko amin’ireo hazo mahitsy sy ny arrière-plan-nao (faha -3 sy faha -4).

Dingana  9 : Farano ny fandrindrana ny fihetsiky ny baolina

Rehefa voamboatra tsara ny arrière-plan-tsika dia hiverenana kely ny fandrindrana ny fihetsiky ny baolina. Tohizana amin'izay rafitra efa misy eny ambony ihany

  • Activer-o na cliquer-o ny baolina
  • Miverena ao amin'ny onglets insctructions
  • Mba ahafana miteny izay mpandresy dia farito (si...alors)  fa raha mikasika ny lokomainty”  (couleur touché?) ny baolina dia mandresy ny mpilalao faharoa
  • Raha mikasika ny lokovolomparasy” (couleur touché?)  kosa dia ny mpilalao voalohany no mandresy
  • Ny couleur touché?  moa dia ao amin'ny capteur hatrany no ahitana azy.
  • Aza adino ny manisy bulles de conversation ahafahana milaza fa nandresy ny mpilalao iray izay hitanao ao amin'ny apparence.
  • Ajanony ihany koa ny kilalao raha vao misy mandresy ny iray amin’ny alalan’ny hoe “stop tout”
  • Atsofoy ao amin'ny répéter indéfiniment efa nampiasaitsika hatramin'izay ireo.