Fanomezana fitaovana ny ankizy hanomanany ny hoaviny

TSARA HO FANTATRA | COVID-19 : Arovy ny tenanao sy ny manodidina anao

Ny tetikasa Lab4Future dia mikendry ny fampitana ny fahaiza-manao ny ankizy eo amin’ny tontolon’ny maha-olona. Mandray anjara amin’ny fitohizan’ny fampianarana mba ahafahan’ny ankizy mandray ireo fahaiza-manao amin’ny lohahevitra maro mifandraika amin’ny teknika.

Ity sehatra ity dia ao anatin’ny tetikasa, manangona ireo sahan’asa mifandray amin’ny lohahevitra izay aseho manaraka eto. Ireo sahan’asa dia voatsinjara ary miaraka amin’ny fampahafantarana ny ambaratonga manokana:

  • Découverte : mba hahafantarana ny fototry ny lohahevitra
  • Famoronana : mianatra manatanteraka tetikasa kely
  • Asa sarotra : tetikasa famoronana mahaliana sy mahafinaritra hiaraha-manao amin’ny vondrona !

Ny pejy Liste no tsara hanombohana : izay manangona ireo sahan’asa rehetra mifandraika amin’ny lohahevitra iray na lohahevitra kely ary milahatra antanan-tohatra miakatra arakin’ny fahasarotany.

Programmation sy robotika
Fanombohana fampianarana informatique
Asan-tanana
Taosarintany malalaka