XIII. Fanoritana trano maro lafy na bâtiment complexe

Efa hitantsika niaraka ny fampiasana ny building_tools izay fanamboarana trano efa-joro. Eto indray isika dia hianatra hampiasa fitaovana fanovana velaran'ny trano.

Mialohan'ny hampiharana izany dia manasa anao hanokatra sy hampiasa "calques vide", manaova CTRL + N na Fichier/nouveau calque.

Fitaovana

Solosaina misy JOSM.

Files

Dingana  1 : Fampiasana Extruder

Ity fitaovana ity dia antsoina hoe Extruder sary_extruder  ary ampiasaina hanamboarana trano efa voasoritra (nosoritana tamin'ny dessiner des noeuds na building_tools).

Ny tanjon’ny fampiasana azy dia ahazahoana trano miendrika "T" na "L";

Toy izao indray ireo dingana arahina raha hampiasa azy io:

  1. Miainga amin'ny trano efa voasoritra
  2. Alaina ilay fitaovana eny amin'ny barre d'outils na manindry ny touche X
  3. Atao double-clique ireo toerana izay tsy tiana hitovy tantana
  4. Ataovy eo anelanelan'ireo teboka roa ireo ny souris-nao dia tariso miakatra (bouton gauche enfoncé)
  5. Esory ny bokotra havian'ny souris rehefa tonga amin'ny halava tianao.

Manaraka ireo torolalana ambony ireo ihany koa ianao raha toa ka miendrika “L” ilay trano fa saingy double clique iray ihany arakaraky ny lafin'ny trano.

Raha fintinina dia arakaraky ny lafin'ny trano izany ny double clique atao.

Dingana  2 : Zones superposées

Misy fotoana manano-sarotra ny manamboatra trano amin’ny buildings_tools ary indraindray dia tsy vitan’ny Extruder ihany koa ny endriny. Misy fomba hafa indray ity atoro anao, izy ity dia fanambarana trano 2 na maromaro ho iray.

Toy izao indray ireo dingana arahina raha hanao izany ianao:

  1. sorito ireo trano roa (2) na mihoatra ary ataovy mifanaingina izany
  2. safidio  miaraka izay trano ho atambatra, (cf  sary_selec fitaovana fisafidianana)
  3. midira Menu outils/joindre les zones superposées na manindry miaraka ny MAJ + J

sary_joindre_zones