IX. Rehefa handefa angondrakitra any amin'ny OSM

Fandefasana ireo sary voasoritra ho any amin'ny www.openstreetmap.org.

Fitaovana

Solosaina misy JOSM sy internet.

Files

Dingana  1 : Mandefa données any amin'ny OSM

Rehefa nahavita nanoritsoritra teo ambony sarintany lafika ianao ka afa-po tamin’ireo clé sy valeur (ho zaraina any amin'ny dingana manaraka izany) ary ny endriny dia azo alefa any amin’ny “openstreetmap” ny donnée-nao.

Toy izao ny fomba fandefasana izany:

  • Cliquer-na ilay "tondro" miloko maitso manondro miakatra. sary_upload
  • Rehefa vita izany dia mahazo toy io hita amin'ny sary fanehoana io ianao.

Toy izao no fomba famenoana azy:

  • Ajouter commentaire: ny zavatra natao sy ny anaran'ny toerana niasana, ohatra: "batiment,  Miarinarivo".
  • Cliquer-na ilay efitra kely eo amin'ny "Obtenir automatiquement la source à partir des calques courants"
  • Cliquer-na ilay efitra kely eo amin'ny "J'aimerais que quelqu'un vérifie mes modifications".
  • Cliquer-na ny "Envoyer".
  • Mahita soratra hoe "succès d'envoie" raha lasa tsara ilay izy.