Manoritra 8 (matory)

Fitaovana

penina iray

fitaovana hametrahana penina eo amin'ny mBot

Zavatra ilaina

mBot iray

solosaina fisaka misy ny rindra-kajy mBlock

Dingana  1 : Hampifandraiso ny mBot sy ny solosaina fisaka ary sokafo ny rindra-kajy fandrindrana azy

(Ilay zoro eny ambony havanana no bokotra natokana amin'izany)

Dingana  2 : Mitadiava hevitra hametrahana ny penina amin'ny mBot

Ajaranao ny maminavina ny fametrahana azy!

Dingana  3 : Manoritra 8 (matory)

Ampiasao ny bloc fampandrosoana sy ireo izay efa nampiasaina nanoritana faribolana (Mampiasa ny *attendre___secs* mba hamehezanao ny fotoana).