mBot - Fampidirana amin'ny fampiasana ireo fepetra

Ao anatin'ity sahan'asa iray ity dia hianatra ny ireo tsara ho fantantra sy ny fampiarana azy amin'ny mBot ianao.

Fitaovana

mBot iray;

solosaina fisaka misy ny rindra-kajy mBlock.

Dingana  1 : Hampifandraiso ny mBot sy ny solosaina fisaka ary sokafo ny rindra-kajy fandrindrana azy

(Ilay zoro eny ambony havanana no bokotra natokana amin'izany)

Dingana  2 : Fampahafantarana mikasika ny antsoina hoe "boucle conditionnelles" na ireo fepetra apetraka

  • Velomy ilay jiro kely miloko maintso (LED), ampiasao manarak'izay ny "si - alors" miaraka amin'ny "obstacle devant". Raha tojo fanakanana ny mBot eo anoloany dia miova loko ny jiro kely.

Tsiahivina fa indray mandeha ihany no hitsapan'ilay rindra-kajy ny fepetra napetraka: raha toa ka feno avokoa izany fepetra izany dia miova ny lokon'ilay jiro kely (LED), raha tsia kosa dia mijanona ho maintso ihany. Mijanona avy eo ny rindra-kajy.

  • Mitovitovy amin'ny eo ambony ihany, ampiasao ny "si - alors - sinon" raha tianao hiova ho mena ny lokon'ilay jiro kely raha tojo fanakanana ny mBot eo anoloany, ary manga kosa raha mbola tsy misy.

Dingana  3 : Fampiharana

Asaivo mandroso ny mBot. Raha mahita sakana eo anoloany izy dia asaivo mijanona sady mampirehitra ny jirony ho mena; raha tsy mahita kosa izy dia mandrehitra ny jirony ho manga.