mBot - Ireo fototra tokony ho fantatra momba ny LED (jiro) sy feo

Fitaovana

mBot iray

solosaina fisaka misy ny rindra-kajy mBlock

Dingana  1 : Hampifandraiso ny mBot sy ny solosaina fisaka ary sokafo ny rindra-kajy fandrindrana azy

(Ilay zoro eny ambony havanana no bokotra natokana amin'izany)

Dingana  2 : Milalao ireo jiro (LEDs)

Andramo ireo karazana fampiasana ny jiron'ny mBot:

- Areheto ny jiro iray na roa

- Ovaovao ny lokony

- Ovaovao ny vaikany

Dingana  3 : Mampaneno feo

Manadrama izao mandrindra feon-kira tsotra amin'ny mBot