mBot - Ireo fototra tokony ho fantatra momba ny LED (jiro) sy feo
Fitaovana
mBot iray
solosaina fisaka misy ny rindra-kajy mBlock
Dingana 1 : Hampifandraiso ny mBot sy ny solosaina fisaka ary sokafo ny rindra-kajy fandrindrana azy
(Ilay zoro eny ambony havanana no bokotra natokana amin'izany)
Dingana 2 : Milalao ireo jiro (LEDs)
Andramo ireo karazana fampiasana ny jiron'ny mBot:
- Areheto ny jiro iray na roa
- Ovaovao ny lokony
- Ovaovao ny vaikany
Dingana 3 : Mampaneno feo
Manadrama izao mandrindra feon-kira tsotra amin'ny mBot