mBot - Miandry sy Mijanona

Fitaovana

mBot iray

Solosaina fisaka iray misy ny rindra-kajy mblock

Dingana  1 : Hampifandraiso ny mBot sy ny solosaina fisaka ary sokafo ny rindra-kajy fandrindrana azy

(Ilay zoro eny ambony havanana no bokotra natokana amin'izany)

Dingana  2 : Andramo ny mampiasa ny bloc "attendre"

Ampiasao  ny bloc "attendre jusqu'à" sy  ny fepetra "le mBot est détecté" dia ovay ho mena ny jiro rehefa tsy mikasika amin'ny tany izy.

Ampatsahivina fa miandry ny fahafenoan'ireo fepetra rehetra ny baiko napetraka vao tanteraka.

Dingana  3 : Fanazarana

Asaivo mandroso hatrany ny mBot madra-pahitany sakana iray eo anoloany. Raha voamarina fa misy izany dia ajanony izy ary ampireheto ny jiro mena.