VI. Fampiasana ankapobeiny ny JOSM

Fampahafantarana ankapobeiny ny fampiasana ny JOSM no hozaraina ato amin'ity takelaka ity.

Fitaovana

Solosaina misy JOSM.

Files

Dingana  1 : Fampiasana ny souris

Samy manana ny asany tokoa ireo bokotra telo eo amin'ny souris ato amin'ny JOSM.

  • Bokotra havia
    • Fanoritana point, ligne, polygone
    • Fidirana Menu isan-karazany.
    • Fangalana ny fitaovana hampiasaina
  • Kanety ampovoany
    • Fanalehibiazana na fanakelezana saritany, « zoom » na echelle.
  • Bokotra havanana
    • Fanakisanana havia na havanana na ambony na ambany ny saritany

NB : Rehefa hiasa hametraka ireo données OSM eo amin’ny fonds de cartes dia ilaina akaiky ny zoom, eo amin’ny 10 – 5 mètres eo no tsara tokony hatao.

Dingana  2 : Ireo fitaovana ampiasana ao amin’ny JOSM rehefa hanoritra

Misy fombafomba vitsivitsy fampiasa matetika ao amin’ny JOSM rehefa manoritroritra ianao.

Ny ahitana azy Asany/fanaovana azy Raccourcis
Menu Edition/Préférences Fanaovana réglage ao amin’nyJOSM F12
Dessiner des noeuds Rehefa hanoritroritra ianao oh, polygone, ligne, points A
Menu Outils/Rendre un forme orthogonal Fanamboarana ny polygone ho mahitsy zoro (ho lasa angle droit). Q
Menu Outils/Couper les chemins

Fanapahana ligne ho lasa 2 na maromaro samihafa.

Manidry nœuds iray na 2 na maromaro amin’ny ligne iray. Ataovy amin’ny alalan’ny SHIFT na CTRL miaraka amin'ny bokotra havian'ny souris.

P
Menu Outils/Fusionner les chemins

Fanambarana ligne roa na maromaro ho tonga iray.

Cliquer-o ny ligne 2 amin’ny  vatany roa amin’ny alalan’ny SHIFT +  bokotra havia amin'ny souris.

C
Menu Outils/ inverser le chemin

Fanovana ny fitodihan’ny ligne iray.

Safidiana ny ligne

R
x

Cliquer-na maharitra ilay point x mavomavo eo anelanelany ny teboka 2 amin'ny ligne iray.

Manampy teboka ao anaty ligne.

Manao faribolana

Mandahatra teboka telo miendrika telozoro.

Miaraka safidiana ireo teboka telo ireo.

SHIFT + O
Atsasa-paribolana

Mandahatra teboka telo miendrika telozoro.

Miaraka safidiana ireo teboka telo ireo.

SHIFT + C

Dingana  3 : Fampiasana ny teboka, polygone, ligne

  • Teboka dia ampiasaina rehefa manome anarana : tanana (oh Miarinarivo), sns
  • Polygone ampiasaina rehefa manoritra zavatra mikatona oh : tanimbary, ala, trano, tangoro-tanana, sns
  • Ligne dia ampiasaina amin’ny zavatra miendrika tsipika (tsy mikatona) oh : làlana, lalan-drano, lalamby, lalan'ny « Bus, taxi-be »

Dingana  4 : Fampiasana calque

Rehefa manokatra fichier iray ianao (ohatra GPX na données OSM) na manao nouveau calque dia alahatry ny JOSM eo aminy fenêtre calques izany.

Aty amin'ny ilany havanana no ahitana izany.

Izay sary_active (marika mitovy amin'io) no calques iasanao.

Izay misy sary_visible (marika mitovy amin'io) no asehon’ny JOSM

 

NB : raha misy calques vides maromaro misoratra eo dia fusionner-na na supprimer-na.

Dingana  5 : Ny attribut / appartenance

Singa roa no mandrafitra ny attribut dia ny « clé » sy « valeur ».

  • Clé: hanavahana ny anaran’ny kisary natao

ohatra : trano, lalan-drano, làlana, sns

  • Valeur : dia karazana ilay clé

ohatra: karazana làlana dia, lalan-tongotra, lalam-pirenena , sns