VIII. Fampidirana sarintany lafika

Ny sarintany lafika na antsoina hoe "fonds de cartes" dia ilay sary azo avy amin'ny zana-bolana, ahafana manoritra ireo zavatra misy eo amin'ny toerana iray.

Fitaovana

Solosaina misy JOSM sy internet.

Files

Dingana  1 : Fampidirana sarintany lafika

Ny sary azonao rehefa avy maka ireo  "données cartographiques"  ianao dia izay angondrakitra nampidirin’ny olona tao amin’ny OSM ihany. Tsy mbola misy sarintany lafika na koa sary azo avy amin’ny zana-bolana hatreo.

Toy izao indray no fomba fakàna izany:

  • Miditra ao aminy Menu « Imagerie ».
  • Dia misafidy sarintany lafika iray  fa ny fampiasa matetika dia ny « Imagerie aérienne bing » na "Maxar premium (Beta)".

Dingana  2 : Raha tsy misy sarintany lafika?

Matetika raha vao manomboka mampiditra sy mampiasa  JOSM ianao dia tsy mbola mipoitra ao amin'ny Menu Imagerie ireo sarintany lafika nolazaina tetsy ambony ireo.

Raha tojo izany ianao dia izao no atao:

  • Miditra ao amin’ny Menu “Imagerie
  • Miditra ao amin’ny Préférences d’imagerie.. dia manaraka izay torimarika hita eo amin’ny sary fanehoana
    • Ireo torimarika omen'ny sary fanehoana dia fampidirana Imagerie aérienne Bing.