XII. Tranokala mifandray amin'ny OSM

Betsaka ireo tranokala mampianatra sy mizara ny fampiasana ny OSM. Ireto tanisaina aminao manaraka ireto ny sombitsombiny amin’izy ireo, ary fampiasa matetika.

Fitaovana

Solosaina misy internet

Files

Dingana  1 : Ireo tranokala fampiasa matetika

Anarana Ny ao anatiny
Tag info Mampiseho ny fomba fampiasan’ny olona maneran-tany ny tag (clé sy valeur)
Wiki openstreetmap Fampianarana ny fampiasana ny OSM, fampidirana fahalalana ao aminy, ary ny fomba fikirakirana izany
Map Features Fampiasana ireo singa rehetra mandrafitra ny angorakitrin'ny OSM miaraka amin’ny tag-ny tsirairay
Teach OSM Fitaovana hanampiana ny mpampianatra hampidirana ny taranja "Open source" any am-pianarana.
Learn OSM Fampianarana amin’ny lesona tsotsotra ny fampiasana ny OSM

Dingana  2 : Fitadiavana fanazavana mikasika ireo angondrakitra hita ao amin'ny JOSM

Raha misy singa tsy fantatrao kanefa hitanao eo amin'ny calques izay iasanao, dia toy izao no atao:

  • Cliquer-na ilay singa ho fantarina (oh: Parking)
  • Mankeny amin’ny fenetres Attribut/Appartenance ianao.
  • Cliquer-na droite ilay attribut miseho eo (oh: Amenity)
  • Mipoitra ny menu contextuel avy eo
  • Miditra ao amin'ny « Aller au Wiki OSM … »
  • Raha misy internet ny solosainanao dia alefany avy hatrany any amin’ny sokajy manazava io tag io ao amin’ny wiki OSM ianao.

Dingana  3 : Fikarohana tag amin'ny google

Azo atao ihany koa ny mitady mivantana amin’ny google tag iray. Manampy anao ahazo bebe kokoa ny fampiasana izany ny fikarohana atao.

  • Sorato eo amin'ny fikarohana google ny hoe : Tag OSM + « ilay clé sy valeur ho tadiavina ».
  • Potsero ny bokotra "recherche Google"

Ohatra : TAG OSM landuse residential