XIV. Fanoritana làlana

Misy karazany maro ny làlana, ireo fahita matetika eto Madagasikara ihany aloha no hifampizarana amintsika eto.

Fitaovana

Solosaina misy JOSM sy internet.

Files

Dingana  1 : Ireo karazana làlana hita eto Madagasikara

Miendrika tsipika na ligne ny lalana ary arakaraka ny toerana hampifandraisiny ny attribut ampiasaina aminy.

Ny fanamboarana azy

Ny mombamomba azy

Attribut

Préréglages/routes/routes/route secondaire

Mampifandray tanana lehibe roa

Highway=secondary

Préréglages/routes/routes/route tertiaire

Mampifandray fokontany, tanana lehiben'ny kaominina

Oh mampifandray Ambatomanjaka - Miarinarivo

Highway=tertiary

Préréglages/routes/routes/route mineur

Mampifandray tangoro-tanana roa

Na lalana lehibe afaka andehanan’ny fiara

Highway=unclassified

Préréglages/routes/routes/rue résidentielle

Lalana mamakivaky tanana

Highway = residential

Préréglages/routes/chemins/piste

Mampifandray tanana sy toeram-pambolena na ala.

Ampiasaina amin’ny fitanteram-bokatra.

Highway=track

Préréglages/routes/chemins/chemins

Lalan-kely, lala-masaka, lalan-tongotra sy biskileta ihany

Highway=path

Dingana  2 : Endrikin'ny làlana

Rehefa nampidirina ny karazan'ilay làlana, dia azo atao ihany koa ny mampahafantara ny endriny. Ny tiana ambara eto dia ny akora nanamboarana azy toy ny hoe: tany, goudron, sns.

Toy izao manaraka izao ny fampidirana izany:

  • Efa vita soritra ilay lalana tamin’ny alalan’ny “dessiner des noeuds” na manindry ny bokotra A
  • Efa nampidirina ny karazan'ilay lalana: secondaire, tertiaire, sns.
  • Jereo ao anatin'ilay  “preference/routes/…”efa natondro tetsy ambony ny hoe “revêtement”.

Anarany

Ny mombamomba azy

Attribut

Terre

Làlan-tany

Surface=ground

Bitume

Làlana goudron

Surface=asphalt

Pavés

Làlana vita amin’ny vato

Surface=sett

Béton

Làlana na tetezana vita tamin'ny simenitra

Surface=concrete

Métal

Làlana na tetezana vita amin’ny vy

Surface=metal

Bois

Làlana na tetezana vita amin’ny hazo

Surface=wood

  • Rehefa voasafidy izany dia cliquer-na ny “Appliquer les attributs”.

Dingana  3 : Ny kalitaon'ny làlana

Mbola azo hampahafantarina ihany koa ny kalitaon'ilay làlana amin'ny alalan'ity tag iray ity.

  • Ao anatin’ny préréglages/routes/...  ihany no ahitana azy, 
  • Ny tondro mifanandrify amin'ny “lissage” no hidirana:

Anarany

Ny mombamomba azy

Attribut

Bonne

Làlana tsara, afaka handehanan’ny fitaovam-pitanterana rehetra

Smoothness = good

Mauvais

Làlana tsaratsara ihany : ny VTT sy ireo fiara tsotsotra no afaka amin’izany

Smoothness = bad

Horrible

Làlana efa ratsy, ny 4x4 ihany afaka amin’izany

Smoothness =  horrible

Très difficile

Làlana tena ratsy, ny tracteurs sy ny quad no afaka amin’izany

Smoothnes = very_horrible

Impassable

Làlana tsy afaky ny kodiarana mihitsy.

Smoothness = impassable