XVI. Fanoritana tetezana na "pont"

Ligne roa mifanapaka (rano sy lalana) no ahitana ny pont na tetezana matetika fa tsy voatery.

Karazany iray ihany no tena fampiasa eto Madagasikara na dia misy karazany maro aza ao amin’ny JOSM (pont, pont mobile, pilier de pont, limite de pont.) dia sary_pont (pont) izany.

Fitaovana

Solosaina misy JOSM sy internet.

Files

Dingana  1 : Fanapahana tetezana amin'ny ligne iray

  • Efa voasoritra ny làlana, napetraka ny karazany, ny endriny ary ny toetrany raha fantatra.
  • Soritana manaraka izay ny rano raha misy ao ambaniny ary asiana ny karazany sy ny anarany ihany koa.
  • Atao mifandingana ireo teboka amin’ny tsipika fa tsy asiana hifandraisany.
  • Alaina miaraka ny teboka roa mifandigana amin’ilay rano eo amin’ilay lalana.
  • Midira ao amin'ny Menu Outils/Couper les Chemins (cf Fampiasana akapobeiny ny JOSM/ couper les Chemins)

Dingana  2 : Omeo tag (attribut) ilay pont

  • Cliquer-na avy eo ilay lalana voatapaka teo dia manome io menamena io (sary etsy ambony)
  • Avy eo, miditra Menu Préréglages/Edifice/Ponts/pont/Appliquer les Attributs
  • Aza taitra raha tsy miova eo no eo ny endriny, rehefa any amin’ny tranokalan'ny openstreetmap.org izy vao miova.
  • Raha tsy nanova na inona na inona ianao tao amin’ny Préréglages fa tonga dia nanindry ny bokotra ambany indrindra dia toy ity manaraka ity ny attribut azo avy eo.
  • Bridge = yes sy Layer = 1

Dingana  3 : Ny fampiasaina ny layers

  • Raha toa ka mandika rano (renirano, lakan-drano) ilay tetezana, dia layers =1 no izy. Izany hoe mitovy amin’io fampiasana azy eo ambony io ny dingana atao.
  • Raha toa ka tetezana tsy mandika rano izy fa tsotra dia tsy asiana io layers io na atao “0” ny lanjany.