XVII. Fametrahana anaran-toerana

Sokajiana arakaraky ny habetsan’ny mponina na isan’ny tafon-trano ao aminy ny toerana aty amin'ny openstreetmap.

Fitaovana

Solosaina misy JOSM sy internet.

Files

Dingana  1 : Fametrahana toerana iray

  • Faritana "polygone" ny manodidina ilay tanàna, izany dia atao mba ahafana mamaritra ny halehiben'ilay tanàna hoe hatraiza no farany.
  • Omena tag ho "zones résidentielles" io polygones io avy eo, ho azavaina any amin'ny "occupation de sol"  ny fanaovana izany.
  • Mamorona teboka ao afovoan’ilay tanàna (na polygone etsy ambony ihany) ka tsy atao mifanitsaka amin’ny teboka mifandray amin’ny làlana na trano izany. Tsy atao ambony trano ihany koa fa avahana tsara mba tsy ho voaelingelina.
  • Sélectionner-na ilay teboka dia omena tag mifanaraka amin'ny karazany izay ho tanisaina eto amin'ny dingana manaraka eto.
  • Tsy adino ny mampiditra ny anaran'ny toerana amin'ny alalan'ny tag "name=..."

Dingana  2 : Karazana toerana

Ireto tag ireto no ampiasaina amin'ilay teboka hanavahana ny karazan'ilay toerana:

Ny fanamboarana azy

Ny mombamomba azy

Attribut / ohatra

Grande ville

Préréglages/Géographie/Lieu/Ville de plus de 100 000 habitants

Ity no tanana lehibe indrindra ahitana mponina mihoatra ny 100 000 (iray hetsy) mahery ao aminy.

Tsy maintsy fantatra sy apetraka ny anaran’ilay tanana.

Name = Antananarivo

Place = city

Ville

Préréglages/Géographie/Lieu/Ville de 10 000 à 100 000 habitants

Tanana lehibe ihany koa izy fa latsaky ny 100 000 ny mponina ao aminy.

Tsy maintsy fantatra sy apetraka ny anaran’ilay tanana.

Name = Imeritsiatosika

Place = town

Village

Préréglages/Géographie/Lieu/Village

Tanana somary efa kelikely izy ity, mponina manodidina ny 100 ka hatramin’ny 10 000 no monina ao.

Tsy maintsy fantatra sy apetraka ny anaran’ilay tanana.

Name =

Place = village

Hameau

Préréglages/Géographie/Lieu/Hameau

Tanana kely tokoa izy ity, tsy mihoatra ny 100 ny olona monina ao, izany hoe manodidina ny 5 ka hatramin’ny 20 tafo eo.

Tsy maintsy fantatra sy apetraka ny anaran’ilay tanana.

Name =

Place = hamlet

Habitation isolée

Préréglages/Géographie/Lieu/Habitation isolée

Azo lazaina ho tanana kely vao miorina izy ity, manodidina ny 2 ka hatramin’ny 5 eo no tafo hita ao aminy.

Tsy maintsy fantatra sy apetraka ny anaran’ilay tanana.

Name =

Place = isolated_dwelling

Lieu-dit

Préréglages/Géographie/Lieu/Lieu-dit

Toerana tsy misy mipetraka fa manana anarana fotsiny.

Name = fatsakana

Place = locality