XVIII. Famaritana ireo zavatra ambonin'ny tany na occupation de sol

Anisan’ny mampiavaka ny saritany ny fampisehoana ireo zavatra misy eo ambonin’ny tany, ohatra hoe, ny ala, tanimboly, trano, sns. Io famaritana io no antsoina hoe « occupation de sol ».

Karazana "occupation de sol" vitsivitsy ihany aloha no hampianarina eto.

Fitaovana

Solosaina misy JOSM sy internet

Files

Dingana  1 : Fanamboarana "occupation de sol"

  • Faritana polygone  ny manodidina ny faritra ho atao, ohatra tangoron-tanana, tanim-bary.
  • Selectionner-na aorian’izay io polygone io dia omena tag mifanaraka amin'ny karazany.

Dingana  2 : Karazana occupation de sol

Ireto ny tag omena ilay polygone nosoritana tetsy ambony:

Ny fanamboarana azy

Ny mombamomba azy

Attribut / ohatra

Préréglages/Géographie/Terrain/Zone résidentielle

Ampiasaina ity tag ity raha manoritra tangoron-tanana ianao na kely na lehibe.

Azo atao tsara mihitsy ny manisy zones residentielles maromaro ao anatin'ny tanana lehibe iray raha toa ka voazarazara ho tangoron-tanana maromaro izany.

Tokony hisy zone résidentielle avokoa ny anaran-toerana iray mba hamaritana ny halehiben’ilay tanana.

Landuse=residential

 

Préréglages/Sports/Sports de balle/Football

Ampiasaina izy ity rehefa hanoritra toerana filalaovana baolina kitra na koa hoe « terrain de foot ».

Apetraka ny anaran’izany raha fantatra

Fanamarihana: Tsy voatery ho polygone ity tag ity fa azo soloina teboka na point ihany koa.

Leisure = pitch

Sport = soccer

Name = Ampaisokely

Préréglages/Sports/Sports de balle/Basketball

Ampiasaina izy ity rehefa hanoritra toerana filalaovana baolina baskety na koa hoe « terrain de basket ».

Apetraka ny anaran’izany raha fantatra

Fanamarihana: Tsy voatery ho polygone ity tag ity fa azo soloina teboka na point ihany koa.

Leisure = pitch

Sport = basketball

Name = Région

Préréglages/Géographie/Nature/Bois

Ampiasaina ity tag ity rehefa hanoritra  ala tsy mbola voakitika  izany hoe forêt vièrge izany. Ampiasaina koa izy rehefa hanoritra ala voaaro na tsidihana ireny.

Tokony apetraka hatrany ny anarany.

Natural = wood

Name =

Préréglages/Géographie/Nature/Forêt

Ampiasaina ity tag ity rehefa hanoritra ala efa nisy na misy mpitrantranga. Raha ala tsotra tsy dia fantatra loatra koa ny momba azy dia azonao ampiasaina izy.

Azo ampidirina ao ny karazan’ilay ala raha fantatra, ohatra hoe: kininina na kesika sns

Ampidirina ihany koa ny anarany raha fantatra.

Landuse = forest

Leaf_type = tapia

Name =

Préréglages/Eau/Hydrographie/Plan d’eau

Ampiasaina izy ity rehefa hanoritra farihy ianao.

Angatahina ny anaran’ilay farihy.

Natural = water

Name = Farihy Itasy

Préréglages/Géographie/Terrain/Terre arable

Ampiasaina rehefa haneho tanimboly.

Apetraka ny anaran’ilay toerana  raha fantatra.

Apetraka ny karazana ilay voly volena eo amin’ny alalan’ilay sokajy hoe “culture”: blé, céréales, fourrage, maïs, riz,sns

Ohatra: tanimbary = riz, tanikatsaka = maïs

Landuse = farmland

Crop = rice *

Name =

* miovaova arakaraka ny voly volena eo aminy

Dingana  3 : Fampiasana ny suivre le chemin

Matetika ianao no sendra occupation de sol roa mifanila rehefa manoritra. Teknika hanamorana ny fanorita izany fitaovana Suivre le chemin na fanindriana ny bokotra F.

Toy izao ary no atao raha tojo izany ianao:

  1. Soritana ny occupation de sol voalohany
  2. Manomboka manoritra ilay occupation de sol hafa mifanila aminy ianao
  3. Asiana teboka roa hifandraisany ny occupation de sol roa samihafa
  4. Tsindrio ny touche « F » na miditra ao amin’ny Menu outils/ Suivre le chemin F mandrapahatongany eo amin’ny fisarahan’ilay occupation de sol roa

  5. Ajanona ny fanindriana ny F na ny suivre le chemin dia tohizana mitokana ilay occupation de sol vaovao.

  6. Tsy adino ny manome tag ny occupation de sol roa.