Mbot - Fihetsehana sy fanarahana ny tsipika mainty

Dingana  1 : Safidio ho "Devices" ny mBot ary hampifandraiso amin'ny solosaina amin'ny alalan'ny rindra-kajy fandrindrana izany avy eo.

(rindra-kajy mBlock)

Dingana  2 : Mamoaha taratasy amin'ny printy na manorita tsipika mainty lehibe (+/- 2 santimetatra)

Momoaha taratasy amin'ny printy na manorita tsipika mainty lehibe (+/- 2 santimetatra)

Dingana  3 : Forony ireo fandrindrana hanarahany ny tsipika

Misy fitsapana fanarahana (capteur) tsipika roa (2) eo amin'ny mBot ka rehefa manga ny lokon'ny jirony eo anoloana dia tsy mahita na inona na inona izy.

Apetraho ny fepetra fa raha izy roa no mahatsapa na mahita tsipika mainty (lanjany =0), dia tokony handroso ny mBot.

Ampiasao ny bloc "line follower sensor detects..." ary mitadiava hevitra mba hanarahany ny tsipika mainty na mivily havanana na havia izy.