Mbot - Fihetsehana - Manoritra efa-joro

Fitaovana

penina iray

fitaovana hametrahana penina eo amin'ny mBot

Zavatra ilaina

mBot iray

solosaina fisaka misy ny rindra-kajy mBlock

Dingana  1 : Hampifandraiso ny mBot sy ny solosaina fisaka ary sokafo ny rindra-kajy fandrindrana azy

(Ilay zoro eny ambony havanana no bokotra natokana amin'izany)

Dingana  2 : Ampiasao ny peninao

Mitadiava hevitra hametrahana ny penina eo amin'ny mBot.

Dingana  3 : Manoritra efa-joro

Ampiasao ny boucle na ny famerimberenana sy ny bloc "mandroso" dia mitadiava hevitra hanoritany efa-joro.

Azonao atao ny manova ny faharetan'ny fihetsehany sy ny hafainganam-pandehany mba hanafaingana ny fahazahoanao ny endrika efa-joro any amin'ny farany.