Voninkazo taratasy

Ity asa famoronana ity dia natokana ho an'ny ankizy mihoatra ny enina taona. Fanamboarana voninkazo amin'ny alalan'ny taratasy ary azo atao fanomezana sy haingo-trano. Azo averina ao anaty kahie ihany koa izy ity raha manana taratasy fotsifotsy na miloko ianao.

Mazotoa mamaky o!

Fitaovana

  • 01 Hety
  • 02 Fanoritana boribory lehibe sy kely na 01 compas

Zavatra ilaina

  • 01 Taratasy matevina fotsy
  • 12 Taratasy manify miloko karazany
  • 05 Feutres
  • 01 Crayon
  • 01 Gaoma
  • 01 Lakaoly

Dingana  1 : Manoritra boribory

  • Alaina ny taratasy fotsy matevina.
  • Manoritra sary boribory roa lehibe sy kely amin'ny alalan'ny perisilihazo sy ny compas.
  • Tsy atao sisiny loatra fa eny ambony havanana sy ambany havia no asiana azy.

Dingana  2 : Manapaka taratasy boribory

  • Alaina indray ireo taratsy malefaka miloko isan-karazany.
  • Manapaka boribory somary lehibe enina samihafa loko.
  • Manapaka taratasy boribory kelikely hafa enina samihafa loko ihany koa toy ny eto amin'ny sary fanehoana.

Dingana  3 : Mamoritra ireo boribory sy mametaka azy amin'ny taratasy

  • Alaina ireo taratasy boribory 12 notapahana tetsy ambony.
  • Aforitra mivalona roa avy eo.
  • Apetaka manodidina amin’ilay boribory lehibe nosoritana tery ambony ireo taratasy boribory lehibe.
  • Toraka izany ihany koa ireo taratasy boribory kely apetraho manodidina amin’ilay boribory kely nosoritana tamin’ny persilihazo

Dingana  4 : Sorito ny tahon'ny voninkazo

  • Rehefa vita ireo dia sorito amin’ny « feutre » indray ny tahon’ny voninkazo ary asio raviny

Dingana  5 : Haingoina lolokely ny taratasy

  • Fafao moramora amin’ny gaoma indray ireo soritra boribory natao tamin’ny perisilihazo raha mbola tazana.
  • Haingoy amin’ny sary lolokely manodidina ny voninkazo.
  • Dia mahazo sary toy izao ianao amin’ny farany