XV. Fanoritana lalan-drano
Misy karazany maro ny lalan-drano, ny fahita matetika aloha no hifampizarana amintsika eto.
Fitaovana
Solosaina misy JOSM sy internet
Files
Dingana 1 : Karazana lalan-drano
Tsipika na ligne no hanoritana ny lalan-drano ary arakaraka ny halehibeiny indray sokajy misy azy.
Ny fanamboarana azy |
Ny mombamomba azy |
Sary/Attribut |
Préréglages/hydrographie/fleuve,rivière |
Renirano lehibe tsy hita fiafarana (mihoatra ny 12m ny sakany) Ohatra: Ikopa, Betsiboka |
Waterway = river Name = Ikopa |
Préréglages/hydrographie/ruisseau |
Zanaky ny renirano ity lalan-drano iray ity, izany hoe latsaky ny 12m ny sakany. Ohatra: Sakay Imazy |
Waterway = stream Name = Imazy |
Préréglages/hydrographie/fossé |
Lakandrano tsy voanjanahary fa namboarin’olombelona. Ohatra: tatatra eny amin’ny tanimbary. |
Waterway = ditch |
Dingana 2 : Fikorinan'ny rano "sens d'écoulement"
Ny fikorinan’ny rano dia miankina amin’ny ahavo sy ahivan’ny toerana manodidina azy. Mba ahafantarana ny ahavon'izany toerana izany dia ilaina ny mampiditra couche (calque) antsoina hoe: Opencyclemap. Io calque (couche) iray io dia mampiseho ny « courbe de niveau » eo amin'ny sarintany ampiasainao.
Ny rano dia tokony hikoriana avy any amin’ny toerana avo mankany amin’ny toerana iva. Azo avadika amin'ny alalan'ny inverser le chemin (cf. manindry ny bokotra R) raha toa tsy mifanaraka amin'izay no hita ao amin'ny sarintany.
Dingana 3 : Fampidirana ny calque Opencyclemap
- Midira ao amin'ny Menu Imagerie
- Activer-o ny Opencyclemap
Raha tsy misy Opencyclemap ao amin'ny Menu Imagerie?
Hita any amin’ny dingana taloha, ao amin’ny Fonds de cartes bing ny fomba fampidirana izany. Soloina ho “Opencyclemap” ilay hoe “imagerie aérienne bing”.
Raha hanova ny fikorianan'ny rano?
Hita any amin'ny dingana taloha ihany koa, ao amin’ny Fampiasana akapobeiny ny JOSM ny fampiasana ny inverser le chemin.