Mandefa sy mandray hafatra mailaka miaraka amin'ny "pièces jointes"
Fitaovana
- kaonty mailaka roa
- solosaina roa
- mizara ho vondrona 2, izay ahitana ankizy roa isaky ny solosaina iray
Dingana 1 : Fanomanana
Ataon'ny vondrona roa miaraka ireto:
Misafidiana foto-kevitra iray izay mahaliana anao. Mitadiava sary mifanaraka amin'io foto-kevitra io ary alaivo sy hampidiro ao anatin'ny solosainanao izany.
Dingana 3 : Sokafo ny boaty mailakanao
Ny vondrona tsirairay isaky ny solosaina dia samy manokatra ny boaty mailaikany avy.
Dingana 4 : Ny iray amin'ny vondrona no mandefa hafatra any amin'ilany
Hampidiro ho "pièce jointe" ilay sary vao avy nalaina teo.
Azavao ao anatin'ny votoatin'ny hafatra alefanao ny anton'ny nisafidiananao io sary io.
Fantaro fa miandry fotoana kely aloha vao mahavita mamaly ny hafatrao ny vondrona mpandray izany.
Dingana 5 : Fandraisan'ny vondrona faharoa ny mailaka
Rehefa voarain'ny vondrona faharoa ny mailaka izay nalefa tetsy ambony, dia alefany ho "pièce jointe" indray ny sary izay nosafidiany ho valiny. Soratany ao anatin'ny votoatin'izany avy eo antony nisafidianany izany.