Scratch - Ny tantaran'ny Goaika sy ny Amboahaolo

Fampianarana momban'ny fandrindrana nomerika na "programmation informatique" amin'ny alalan'ny sracth na mblock. Natokana ho an'ny tanora mihoatra ny 12  taona izy ity ary tsara raha efa manana fahaizana kely mikasika ny scratch na mblock izy ireo.

Tantara nalaina tamin'ny "fables de la fontaine" mitondra ny lohateny hoe "le corbeau et le renard" ity ho ataotsika anio.

Fitaovana

01 Solosaina misy scratch na mblock

Zavatra ilaina

Tantaran'ny Goiaka sy ny Amboahaolo

Dingana  1 : Ny tantaran'ny Goaika sy ny Amboahaolo

Ra-Goaika tery ambony hazo, nihazona "fromage" tamin'ny vavany. Raha iny nandalo iny kosa ra-Amboahaolo dia voasariky ny fofona. Avy hatrany dia nanomboka ny resany nanao hoe:

"Eh, Manahoana Ra-Goaika a! Tena tsara tarehy ianao izany. Sady toa tena tsara jerena tokoa! Tsy andainga aho fa raha miampy ny feonao maga izato bikanao tsara! dia ianao mihitsy no voromangan'ny ato an'ala."

Noho ireo teny ireo dia faly ka tsy naharitra ra-Goaika. Ho entiny nampisehoana ny feomangany, Dia nosokafany lehibe ny vavany ary latsaka ny sakafony. Noraisin-dRamboahaolo izany sady niteny izy hoe :

"Ra-Goaika tsara tarehiko!". Fantaro fa miaina amin'ireo izay miheno azy ireo mpandrangitra. Dia ny "fromage" no tambin'izany lesona izany. Menatra sady tezitra ra-Goaika. Niozona na dia efa tara aza, fa tsy ho azo amin'izany intsony.

Dingana  2 : Mampiditra "décors"

  • Sokafo amin'ny alalan'ny double-clique ny scratch na mblock.
  • Rehefa tafasokatra izany, dia fafao ny lutin (saka ny panda) miseho eo: clique droite dia supprimer.
  • Ovay amin'ny alalan'ny sary eto ambany ny arrière-plan.
  • Rehefa vita izany dia hampidiro ihany koa ny Amboahaolo sy ny Boloky.

sary fanehoana fampidirana decors

Dingana  3 : Manova ny endrikiny boloky

  • Cliquer-na na activer-na ny Boloky (Parrot).
  • Miditra eny "costumes" mifanila amin'ny instructions.
  • Lokoy amin'ny fandokoana (faha -3 amin'ny sary fanehoana) amin'ireo loko na palettes (faha-4 amin'ny sary fanehoana) azo isafidianana eny ambany ny boloky mba ho tonga goaika.

Dingana  4 : Mametraka amin'ny toerana ny Goaika

Ahena ny hangezan'ny Goaika hifanaraka amin'ny tokony ho izy (faha - 1 ka hatramin'ny faha - 5)

  • Cliquer-o na activer-o ny goaika.
  • Midira ao amin'ny "instructions" araka ny hita eto amin'ny sary fanehoana.
  • Midira indray ao amin'ny sokajy "Apparence" ahafahana manova ny hangezan'ny goaika.
  • Alaio ary afindrao any amin'ny toeran'ny script ny fanamboara ny hangezan'ny lutins dia ny mettre à ... % de la taille initiale.
  • Ny eto dia natao 70 % fa anjaranao ny mametra ny hangeza izay mifanaraka amin'ny tianao.

Apetraho amin'ny toerana tokony hisy azy ny Goaika (faha -6 ka hatramin'ny faha- 8)

  • Batao ho tonga eny ambony hazo ny Goaika.
  • Raha tiana hitodika any amin'ny ilany havia ny goaika dia hidirana ilay tondro manga kely  (faha-6 amin'ny sary fanehoana).
  • Avy ovaina ho tsipika mitsivalana ny style de rotation-ny (faha-7 amin'ny sary fanehoana).
  • Atodika aty amin'ny -90° tahaka ny hita amin'ny sary fanehoana hatrany (faha-8) ny direction.

Dingana  5 : Arindrao ny fihetsiky ny Amboahaolo

  • Miantomboka amin'ny "quand le drapeau vert est cliqué" aloha ny script.
  • Manarak'izay dia hitadiavo toerana iangany ny amboahalo. Jereo amin'ny souris ny lanjan'ny "x" sy ny "y"  asiana ny Amboahalo.
  • Farito amin'ny alalan'ny "aller à x... et y..." izany avy eo.
  • Ny eto amin'ny sary fanehoana dia nasiana ny cacher sy ny montrer izay elanelanin'ny "attendre .. secondes"  mba handrindrana  ny fipoiran'ny Amboahalo.
  • Nampiasaina teto ihany koa ny "glisser en ... secondes à x ... et y... " mba hikisahany manantona ny Goaika eny amin'ny toerana voatondro.
  • Ao amin'ny apparence no ahitana ireto karazana bulles:" penser à ... " sy  "dire ..." mba hampitenenana ny Amboahaolo.
  • Soraty ao anatin'ireo "bloc" farany ireo ny resaka nataon'ny Amboahaolo tamin'ny Goaika toy ny hita amin'ny sary fanehoana.

Dingana  6 : Mamorona "lutin" fromage

  • Rehefa hamorona lutin ianao dia miditra ao amin'ny fitaovana famoronana izay asehon'ny sary fanehoana, "Dessiner un nouvel objet" (faha -1).
  • Sorito amin'ny alalan'ny fitaovana fanoritana indray avy eo ireo tsipika telozoro (faha -2).
  • Raha tianao dia afaka asiana boribory ihany koa eo anatiny toy ny hita hatrany eto amin'ny sary fanehoana (faha -3).
  • Lokoy amin'ny fandokoana ny fromage (faha -4).
  • Batao amin'ny fitaovana fibatana ho eo ampovoany tsara ny fromage rehefa vita ny sary (faha -6).
  • Omeo anarana ny sarinao mba hanamora ny fandrindrana azy (faha -7).

Dingana  7 : Arindrao ny fihetsiky ny Goaika

  • Atomboka hatrany amin'ny "quand le drapeau vert est cliqué".
  • Mitovy tsy misy hafa amin'ny Amboahaolo, tadiavo ny toerana tokony hisy ny Goaika amin'ny alalan'ny souris-nao.
  • Rehefa hita izany dia soraty ao anatin'ny bloc "aller à x... y..." avy eo.
  • Efa napetraka tany amin'ny voalohany ny halehiben'ny goaika dia atao manaraka azy fotsiny.
  • Ny lanjan'ny attendre eto dia arakaraka ny halavan'ny resaka nataon'ny Amboahaolo. Ny eto amin'ny sary fanehoana dia 17 segoandra.
  • Rehefa vita izany dia maka  ny bloc "dire .... pendant .. secondes" ianao dia soraty ao ny hiran'ny Goaika.

Dingana  8 : Arindrao ny fihetsiky ny fromage

  • Cliquer-o aloha fromage ahafahana mandrindra ny fehetsiny.
  • Alaivo ao anatin'ny Evenement indray ny "quand le drapeau vert est cliqué".
  • Farito manarak'izay indray avy eo ny halehibehiny, izay mifanaraka amin'ny tianao.
  • Raiso ny "mettre à ... de la taille initiale" izay hita ao amin'ny Apparence.
  • Batao ho eny amin'ny vavan'ny goaika avy eo ny fromage (faha -4).
  • Alaina manarak'izay ny "aller à x ... et  y ..."izay hita ao amin'ny Mouvement, dia hampifandraisina amin'ny bloc izay efa mirindra eo ambony. Io bloc io no mamaritra ny toerana tokony hisy ny fromage isaky ny manomboka ny tantara. Marihana fa mandray avy hatrany ny lanjan'ny "x" sy ny "y" io bloc io raha tonga dia alaina aorian'ny fanakisahana ny fromage. Izany hoe tsy ilaina intsony ny mamaritra ny lanjan'ny "x" sy ny "y".
  • Vita izany, dia alaina avy ao amin'ny Apparence indray ny "montrer" izay ahafahana manapoitra ny fromage rehefa manomboka ny tantara.
  • Isao indray manaraka eto ny fotoana nandehanan'ny Amboahaolo nankeo amin'ny Goaika, ny fotoana niresahany taminy, ary ny fiatombohan'ny hiran'ny Goaika.
  • Rehefa vita izany dia sorato eo amin'ny "attendre ... secondes" ny lanjany.
  • Batao indray ny  fromage avy eo vavan'ny Goaika mankeo amin'ny tanan'ny Amboahaolo (faha -7).
  • Raiso manarak'izay indray ny "glisser en .... secondes à x: .... et y: ...."  izay hita ao amin'ny Mouvement ary harindrao miaraka amin'ireo izay efa eo ambony.
  • Farano amin'ny bloc "cacher" izay hita ao amin'ny Apparence ny fandrindrana mba hampanjavona ny fromage raha vao vatany voarain'ny Amboahaolo.

Dingana  9 : Tohizo ny fihetsiky ny Amboahaolo

  • Avereno cliquer-na aloha ny Amboahaolo.
  • Isao manarak'izay ny fotoana nialan'ny fromage teny amin'ny vavan'ny goaika ka hatramin'ny nahatongavany teny ambany.
  • Sorato ao amin'ny bloc "attendre ... secondes" ny lanjan'izany.
  • Arindrao manarak'izay avy eo ny resaka famaranana nataon'ny Amboahaolo  tamin'ny goaika amin'ny alalan'ny "dire ... pendant ... secondes" izay alainao ao amin'ny Apparence.

Dingana  10 : Tohizo ny fihetsiky ny Goaika

  • Avereno cliquer-na ny Goaika .
  • Isao ny fotoana nanohizan'ny Amboahaolo ny resany tamin'ny Goaika.
  • Sorato ao amin'ny "attendre .... secondes" ny lanjany.
  • Batao ho eny toerana hitsoahany ny Goaika.
  • Raiso manarak'izay indray ny "glisser en ... secondes à x: .... y: ...." ao amin'ny Mouvement ary arindrao manaraka amin'ny efa eo ambony.