X. Fanoritana trano na "bâtiments"
Fanoroana anao ny fomba fanoritana trano na bâtiment amin'ny alalan'ny "buildings tools" sy "dessiner des noeuds".
Fitaovana
Solosaina misy JOSM sy internet.
Files
Dingana 1 : Fampiasana ny "Dessiner des noeuds"
Fomba iray ahafahana manoritra trano ny "dessiner des noeuds", toy izao ny fanaovana izany:
- Soritana ny manodidina ny tafo-trano.
- Tsy adino ny manalehibe ny zoom ho tonga 5 – 10 mètres.
- Rehefa vita soritra izany dia cliquer-na eo amin’ny « Menu préréglages "
- Midira eo amin'ny « Edifices » avy eo
- Midira eo amin'ny « Edifices » fanindroany
- Cliquer-na ilay hoe « bâtiment »
- Tsy manova na inona na inona fa cliquer-na avy hatrany ilay hoe "Appliquer les attributs".
- Mariho fa miova ho building ny clé ary yes ny valeur-ny, izay midika fa misy trano eo amin'io soritra nataonao io.
Dingana 2 : Fampiasana ny Buildings tools
Hita eny amin'ny barre d'outils ny buildings tools, toy ity ny endriny:
Ity fitaovana ity dia fanoritana trano miendrika efa-joro fotsiny ihany, marihana fa tsy mila miditra any amin'ny Menu Préréglages intsony rehefa mampiasa azy ity. Ny tafo-trano ihany no soritana aminy, tsy adino ny manalehibe ny zoom ho 5 - 10 mètres, toy izao ny fanaovana azy:
- misafidiana zoro iray mahitsy hanombohana azy (cliquer-o)
- raiso avy any amin'ny halavan'ilay trano dia mi-clique fanindroany ho any amin’ny tendrony mifanandry amin’izany
- farany, cliquer-na ny zorony fahatelo (avy aty amin'ny sakan'ilay trano) dia mahazo efa-joro ianao
Hamarino fa tokony hiova Building ny clé ary yes ny valeurn'ny efa-joro nosoritanao.
Dingana 3 : Raha mbola tsy misy buildings tools ny JOSM
Ireto ny dingana arahina raha tsy mbola ny buildings tools ny JOSM-nao:
- Midira ao amin'ny Menu Edition/ Préférences na manindry ny F12
- Midira ao amin'ny fampidirana greffon (jereo ny sary fanehoana)
- Midira ao amin'ny sokajy greffon
- Sorato eo amin'ny fitadiavana ny hoe "buildings_tools"
- Activer-o ilay efitra kely mifanila amin'ny greffon buildings_tools.
- Cliquer-o ny Valider