Voninkazo taratasy
Ity asa famoronana ity dia natokana ho an'ny ankizy mihoatra ny enina taona. Fanamboarana voninkazo amin'ny alalan'ny taratasy ary azo atao fanomezana sy haingo-trano. Azo averina ao anaty kahie ihany koa izy ity raha manana taratasy fotsifotsy na miloko ianao.
Mazotoa mamaky o!
Fitaovana
- 01 Hety
- 02 Fanoritana boribory lehibe sy kely na 01 compas
Zavatra ilaina
- 01 Taratasy matevina fotsy
- 12 Taratasy manify miloko karazany
- 05 Feutres
- 01 Crayon
- 01 Gaoma
- 01 Lakaoly
Dingana 1 : Manoritra boribory
- Alaina ny taratasy fotsy matevina.
- Manoritra sary boribory roa lehibe sy kely amin'ny alalan'ny perisilihazo sy ny compas.
- Tsy atao sisiny loatra fa eny ambony havanana sy ambany havia no asiana azy.
Dingana 2 : Manapaka taratasy boribory
- Alaina indray ireo taratsy malefaka miloko isan-karazany.
- Manapaka boribory somary lehibe enina samihafa loko.
- Manapaka taratasy boribory kelikely hafa enina samihafa loko ihany koa toy ny eto amin'ny sary fanehoana.
Dingana 3 : Mamoritra ireo boribory sy mametaka azy amin'ny taratasy
- Alaina ireo taratasy boribory 12 notapahana tetsy ambony.
- Aforitra mivalona roa avy eo.
- Apetaka manodidina amin’ilay boribory lehibe nosoritana tery ambony ireo taratasy boribory lehibe.
- Toraka izany ihany koa ireo taratasy boribory kely apetraho manodidina amin’ilay boribory kely nosoritana tamin’ny persilihazo
Dingana 4 : Sorito ny tahon'ny voninkazo
- Rehefa vita ireo dia sorito amin’ny « feutre » indray ny tahon’ny voninkazo ary asio raviny
Dingana 5 : Haingoina lolokely ny taratasy
- Fafao moramora amin’ny gaoma indray ireo soritra boribory natao tamin’ny perisilihazo raha mbola tazana.
- Haingoy amin’ny sary lolokely manodidina ny voninkazo.
- Dia mahazo sary toy izao ianao amin’ny farany