X. Fanoritana trano na "bâtiments"

Fanoroana anao ny fomba fanoritana trano na bâtiment amin'ny alalan'ny "buildings tools" sy "dessiner des noeuds".

Fitaovana

Solosaina misy JOSM sy internet.

Files

Dingana  1 : Fampiasana ny "Dessiner des noeuds"

Fomba iray ahafahana manoritra trano ny "dessiner des noeuds", toy izao ny fanaovana izany:

  • Soritana ny manodidina ny tafo-trano.
  • Tsy adino ny manalehibe ny zoom ho tonga 5 – 10 mètres.
  • Rehefa vita soritra izany dia cliquer-na eo amin’ny « Menu préréglages "
  • Midira eo amin'ny « Edifices » avy eo
  • Midira eo amin'ny « Edifices » fanindroany
  • Cliquer-na ilay hoe «  bâtiment »
  • Tsy manova na inona na inona fa cliquer-na avy hatrany  ilay hoe  "Appliquer les attributs".
  • Mariho fa miova ho building ny clé ary yes ny valeur-ny, izay midika fa misy trano eo amin'io soritra nataonao io.

Dingana  2 : Fampiasana ny Buildings tools

Hita eny amin'ny barre d'outils  ny buildings tools, toy ity ny endriny: sary_building_tools

Ity fitaovana ity dia fanoritana trano miendrika efa-joro  fotsiny ihany, marihana fa tsy mila miditra any amin'ny Menu Préréglages intsony rehefa mampiasa azy ity. Ny tafo-trano ihany no soritana aminy, tsy adino ny manalehibe ny zoom ho 5 - 10 mètres, toy izao ny fanaovana azy:

  1. misafidiana zoro iray mahitsy hanombohana azy (cliquer-o)
  2. raiso avy any amin'ny halavan'ilay trano dia mi-clique fanindroany ho any amin’ny tendrony mifanandry amin’izany
  3. farany, cliquer-na ny zorony fahatelo  (avy aty amin'ny sakan'ilay trano) dia mahazo efa-joro ianao

Hamarino fa tokony hiova Building ny clé ary yes ny valeurn'ny efa-joro nosoritanao.

Dingana  3 : Raha mbola tsy misy buildings tools ny JOSM

Ireto ny dingana arahina raha tsy mbola ny buildings tools ny JOSM-nao:

  1. Midira ao amin'ny Menu Edition/ Préférences na manindry ny F12
  2. Midira ao amin'ny fampidirana greffon (jereo ny sary fanehoana)
  3. Midira ao amin'ny sokajy greffon
  4. Sorato eo amin'ny fitadiavana ny hoe "buildings_tools"
  5. Activer-o ilay efitra kely mifanila amin'ny greffon buildings_tools.
  6. Cliquer-o ny Valider