Mandefa sy mandray hafatra mailaka miaraka amin'ny "pièces jointes"

Fitaovana

  • kaonty mailaka roa
  • solosaina roa
  • mizara ho vondrona 2, izay ahitana ankizy roa isaky ny solosaina iray

Dingana  1 : Fanomanana

Ataon'ny vondrona roa miaraka ireto:

Misafidiana foto-kevitra iray izay mahaliana anao. Mitadiava sary mifanaraka amin'io foto-kevitra io ary alaivo sy hampidiro ao anatin'ny solosainanao izany.

Dingana  2 : Fanavahana ny foto-kevitra mahaliana

Ataon'ny vondrona roa miaraka ireto:

Alaivo izay sary mifanaraka amin'ny foto-kevitra nosafidianao, hampidiro ao anatin'ny solosainanao izany avy eo.

Dingana  3 : Sokafo ny boaty mailakanao

Ny vondrona tsirairay isaky ny solosaina dia samy manokatra ny boaty mailaikany avy.

Dingana  4 : Ny iray amin'ny vondrona no mandefa hafatra any amin'ilany

Hampidiro ho "pièce jointe" ilay sary vao avy nalaina teo.

Azavao ao anatin'ny votoatin'ny hafatra alefanao ny anton'ny nisafidiananao io sary io.

Fantaro fa miandry fotoana kely aloha vao mahavita mamaly ny hafatrao ny vondrona mpandray izany.

Dingana  5 : Fandraisan'ny vondrona faharoa ny mailaka

Rehefa voarain'ny vondrona faharoa ny mailaka izay nalefa tetsy ambony, dia alefany ho "pièce jointe" indray ny sary izay nosafidiany ho valiny. Soratany ao anatin'ny votoatin'izany avy eo antony nisafidianany izany.