Voninkazo vita amin'ny voam-boatavo

Ity torolalana ity dia mampianatra anao tsy hanarinary foana ny voan'ireny legioma ireny, indrindra moa ny voatavo sy ny korozety,  fa hamadika azy ireny kosa ho lasa voninkazo haingo-trano.

Fitaovana

- hety

- lakaoly

- compas

- crayon

- loko

Zavatra ilaina

- taratasy fotsy matevina iray

- voam-boatavo 40 isa eo ho eo

- poavatra mena 10 isa eo ho eo

Dingana  1 : Manomana ny taratasy fotsy

  • Alaivo ny taratasy fotsy matevina
  • Manorita sary boribory voalohany mirefy 8,5 cm (diamètre) eo ho eo
  • Manorita sary boribory faharoa mirefy 6,5cm (diamètre) eo ho eo
  • Manorita sary boribory fahatelo mirefy 4,5cm (diamètre) eo ho eo.

Dingana  2 : Manety ireo sary boribory

  • Hetezo araky ny halehibeny avy ireo sary boribory nosoritana tetsy ambony

Dingana  3 : Apetraho ireo voam-boatavo

  • Alaivo ireo voam-boatavo dia
  • Apetraho amin'ny lakaoly manodidina ireo boribory telo (3) notapahina tetsy ambony

Dingana  4 : Akambano ireo boribory telo

  • Akambano arakaraky ny halehibeny ireo taratasy boribory telo (3) voadidina voam-boatavo
  • Apetraho eo amin'ny ambony afovoany indrindra ireo poavatra mena.

Dingana  5 : Lokoy ny voninkazo

  • Avelao ho maina tsara ny lakaoly
  • Lokoy araka izay itiavanao azy ny voninkazo