XV. Fanoritana lalan-drano

Misy karazany maro ny lalan-drano, ny fahita matetika aloha no hifampizarana amintsika eto.

Fitaovana

Solosaina misy JOSM sy internet

Files

Dingana  1 : Karazana lalan-drano

Tsipika na ligne no hanoritana ny lalan-drano ary arakaraka ny halehibeiny indray sokajy misy azy.

Ny fanamboarana azy

Ny mombamomba azy

Sary/Attribut

Préréglages/hydrographie/fleuve,rivière

Renirano lehibe tsy hita fiafarana (mihoatra ny 12m ny sakany)

Ohatra: Ikopa, Betsiboka

Waterway = river

Name = Ikopa

Préréglages/hydrographie/ruisseau

Zanaky ny renirano ity lalan-drano iray ity, izany hoe latsaky ny 12m ny sakany.

Ohatra: Sakay Imazy

Waterway = stream

Name = Imazy

Préréglages/hydrographie/fossé

Lakandrano tsy voanjanahary fa namboarin’olombelona.

Ohatra: tatatra eny amin’ny tanimbary.

Waterway = ditch

Dingana  2 : Fikorinan'ny rano "sens d'écoulement"

Ny fikorinan’ny rano dia miankina amin’ny ahavo sy ahivan’ny toerana manodidina azy. Mba ahafantarana ny ahavon'izany toerana izany dia ilaina ny mampiditra couche (calque)  antsoina hoe: Opencyclemap. Io calque (couche) iray io dia mampiseho ny « courbe de niveau » eo amin'ny sarintany ampiasainao.

Ny rano dia tokony hikoriana avy any amin’ny toerana avo mankany amin’ny toerana iva. Azo avadika amin'ny alalan'ny inverser le chemin (cf. manindry ny bokotra R) raha toa tsy mifanaraka amin'izay no hita ao amin'ny sarintany.

Dingana  3 : Fampidirana ny calque Opencyclemap

  • Midira ao amin'ny Menu Imagerie
  • Activer-o ny Opencyclemap

Raha tsy misy Opencyclemap ao amin'ny Menu Imagerie?

Hita any amin’ny dingana taloha, ao amin’ny Fonds de cartes bing ny fomba fampidirana izany. Soloina ho “Opencyclemap” ilay hoe “imagerie aérienne bing”.

Raha hanova ny fikorianan'ny rano?

Hita any amin'ny dingana taloha ihany koa, ao amin’ny Fampiasana akapobeiny ny JOSM ny fampiasana ny  inverser le chemin.