mBot - Fampidirana ny fampiasana ny famerimberenana (boucle)

Fitaovana

mBot iray

solosaina fisaka misy ny rindra-kajy mBlock

Dingana  1 : Hampifandraiso ny mBot sy ny solosaina fisaka ary sokafo ny rindra-kajy fandrindrana azy

(Ilay zoro eny ambony havanana no bokotra natokana amin'izany)

Dingana  2 : Mamerimberena baiko iray

Tadiavo ao anatin'ny sokajy "Contrôles" ny bloc izay ahafahanao mamerimberina baiko iray. "Boucles" no fiantso izy ireny rehefa aty amin'ny fandrindrana na "programmation".

Dingana  3 : Mampiasà "boucle"

  • Mitendre feo iray amin'ny mBot ary araho fiatoana iray (1) segondra izany.
  • Avereno in-dimy (5) izany amin'ny alalan'ny boucle
  • Io boucle io ihany no ampiasao ka avilio havanana sy havia ny mBot.

Dingana  4 : Fanazarana

Avereno in-dimy (5) ireto baiko manaraka ireto:

  • Areheto ny jiro havanana ary asaivo mivily havanana ny mBot (vita izany dia ajanony izy ary pio ny jiro)
  • Areheto ny jiro havia ary asaivo mivily havia ny mBot (vita izany dia ajanony izy ary pio ny jiro)

Avereno in-dimy (5) ireto baiko manaraka ireto:

  • Areheto ny jiro havanana mandritra ny 0,5 segondra ary mitendre feo iray.
  • Vonoy mandritra ny iray (1) segondra ny jiro sady asaivo mangina izy.